55
LAZAO AZY . . . . . . Fanambaran’andriamanitra NY ANAO. JOYCE MEYER #1 Mpanoratra nandafo boky betsaka indrindra araka ny New York Times

Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

  • Upload
    others

  • View
    2

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

LAZAO AZY . . .

. . .

Fanambaran’andriamanitra

NY ANAO.

JOYCE MEYERP. O. Box 5, Cape Town, 8000, South Africa

#1 Mpanoratra nandafo boky betsaka indrindra araka ny New York Times

Page 2: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

. . .

Page 3: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Tell Them I Love Them - MalagasyReceiving a Revelation of God’s Love for You

Printed in India at: Caxton Offset Pvt. Ltd.Hyderabad - 500 004

Unless otherwise indicated, all Scripture quotations are taken from The Amplified® Bible (AMP). Copyright © 1954, 1962, 1965, 1987 by

The Lockman Foundation. Used by permission.

Scriptures marked NKJV are taken from the New King James Version. Copyright © 1979, 1980, 1982 by Thomas Nelson, Inc.

Scriptures marked KJV are taken from the King James Version of the Bible.

Copyright © 2014 by Joyce Meyer Ministries - Asia

All rights reserved. No part of this publication may be reproduced, distributed, or transmitted in any form or by any means, or stored

in a database or retrieval system, without the prior written permission of Joyce Meyer Ministries - Asia.

Joyce Meyer Ministries - AsiaNanakramguda,

Hyderabad - 500 008

Phone: +91-40-2300 6777Website: www.jmmindia.org

Page 4: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

FANOROAM-PEJY

Fampidirana vii

1. Tia anao Andriamanitra 1

2. Mendrika manao ahoana aho? 7

3. Ny fitiavana dia fifandraisana 15

4. Fitiavana, fahatokiana ary f inoana 21

5. Afaka amin’ny tahotra 27

6. Ny fitiavana mahatratra ny hafa, dia mizara 32

7. Hanova anao ny fitiavan’Andriamanitra 39

Tena tia anao fatratra andriamanitra 44

Page 5: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

vii

Fampidirana

Mino aho fa ny ilain’ny olona indrindra mihoatra ny zavatra rehetra dia ny fahatsapany manokana ny Fitiavan’Andriamanitra azy. Inoako fa izany no fototra tsy maintsy hiorenan’ny fiainam-pandresen’ny kristiana. Tsy fahalalana ara-tsaina ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra no ilaintsika fa fanambarana kosa. Ny Fanahy Masina ihany no afaka hanome izany fanambarana izany, izay ho azon’ny mpino tsirairay rehefa misaintsaina sy mitandrina ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manokana izay sady mikatsaka izany fanambarana izany amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka.

Mora kokoa ny manaiky fa matoa nirahin’Andriamanitra ho faty ho an’izao tontolo izao i Jesosy dia satria tiany loatra izao tontolo izao. Fa sarotsarotra kokoa ny hino fa raha tahiny ianao irery no olona teto ambonin’ny tany, dia ho naniraka an’i Jesosy ho faty ho anao ihany Izy, ary ho anao irery.

Tamim-pahasoavana no nanehoan’Andriamanitra tamiko tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fitiavany ahy manokana, taona maro taorian’ny naha-kristiana very fanantenana ahy. Fanambarana tsotra, izay ampy nanova ny fiainako manontolo sy ny fiarahako Aminy.

Page 6: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

viii

Mino aho fa izay hovakianao ato amin’ity boky ity dia hitondra tsilon-tsaina vaovao sy fahazavan-tsaina ho anao ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Inoako fa hampitsiry hetaheta vaovao ao aminao ny fahazoanao io fanambarana io ho anao manokana.

Manasa anao àry aho hamaky miadana ity boky ity, hampiasa azy ho toy ny tahirin-kevitra hanampy anao, ary handinika ny Soratra Masina sy izay hevitra ho hitanao raketin’ireto pejy manaraka ireto.

Atolotra anao amim-panetren-tena ity boky ity. Fantatro fa tsinontsinona aho raha tsy miaraka Aminy; ary izay mety fanambarana sy fahazavan-tsaina azoko avy amin’ny Teniny dia avy amin’ny Fahasoavany irery ihany.

Fampidirana

Page 7: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

1

1

Tia anao Andriamanitra

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanany Lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay”

–Jaona 3:16

Mila ankohonana Andriamanitra. Noho izany dia namorona antsika ho zanany Izy. Tsy tiany ho toy ny zazakely isika fa tiany kosa hitondra tena toy ny zanany. Tiany hiankina Aminy isika, hitoky Aminy, hiantehitra Aminy, ho tia Azy sy hamela Azy hitia antsika koa. Tiany hatoky Azy ary hitady Azy isika rehefa tojo fahasahiranana. Te-hanana fifandraisana manokana aminao Izy. Maro amintsika no mandray ny ambaran’ny Jaona 3:16 amin’ny heviny malalaka loatra. “Eny e! Fantatro fa maty ho an’izao tontolo izao Jesosy.” Tsy hoe sarambaben’olona amin’izao fotsiny ety isika no nanoloran’i Jesosy ny ainy. Maty ho anao Izy! Ary raha tahiny aza ianao irery no hany olona teto an-tany dia ho faty ho anao ihany ary ho anao irery Izy. Ho niaretany avokoa

Page 8: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

2

ny fahoriana rehetra noho ianao. Maty ho anao Izy! Tia anao fatratra Andriamanitra; fitiavana mandrakizay no itiavany anao.

Indray andro, raha iny teo am-pamiliana ny fiarako nidina ny làlana iny aho, dia niteny tao am-poko tao Andriamanitra ka nanao hoe: “Joyce anakandriamasoko anie ianao e!”. Tsy fantatro velively hoe Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izany. Dia tonga avy hatrany ny devoly tamin’izao eritreritra izao, ary niteny hoe: “Ndry, moa va tsy fireharehana tafahoatra izany? Fa mihevi-tena ho iza moa ianao?” Dia namaly anakampo aho hoe: “Oadray! tsy tokony hisaina toy izany aho.” Mifanohitra amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona noforonin’ny Ray mba hiavaka amin’ny olona manodidina antsika. Raha mbola nisaintsaina ny amin’izany teo aho, dia nasehon’Andriamanitra ahy tamin’ny alalan’ny sary an-tsaina: vehivavy iray mijoro eo anilan’ny paoma miavosa ao anatin’irony fivarotan-dehibe manaraka ny toetr’andro irony. Nijery manodidina izy, ary nahita iray izay tena fatratra tokoa, ary dia notakariny ilay tsara indrindra teo. Rehefa izany dia nambaran’Andriamanitra ahy hoe: “Mihoatra noho ny olon-drehetra ary tena manokana ianao.”

Toa tsy marina izany hoy ianao nefa jereo: miteny izany amin’ny tsirairay avy amintsika Andriamanitra. Tsy milaza akory Izy fa ianao dia tena olona mendrika ary ny olona rehetra sisa dia ratsy. Ambarany fa ny tsirairay avy amintsika dia olona nosinganina manokana. Voasoratra ao

Page 9: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

3

Tia anao Andriamanitra

amin’ny Teniny izany, ary ny Teniny dia ho antsika rehetra. “Anakandriamason’Andriamanitra ianao.” Tsy azoko izay tian’Andriamanitra nambara tamiko satria nahatsiaro meloka noho ny fieritreretako ny hakanton’ny momba ny tenako aho. Roa andro taorian’izay dia nosokafako ny Baiboliko tao amin’ny Salamo 17:8 ary teo dia indro ilay Teny nivandravandra teo anoloako. Hoy aho hoe: “Oadray! Tena avy amin’Andriamanitra mihitsy izany.Anakandriamason’Andriamanitra aho.” Nandritra ny fotoana naharitra, dia nahatsiaro tena ho olona manokana mihitsy aho isaky ny mieritreritra ny amin’izany.

Mangetaheta mafy, mitady fatratra, ary maniry ao am-pony ny hotiavina ny olona. Toy izany rahateo no namoronan’Andriamanitra anao. Maro aminareo no mino fa tia izao tontolo izao Andriamanitra sady tia an’i Jesosy koa, nefa sarotra aminao mihitsy ny hino fa tia anao Andriamanitra. Eny fa na dia mampianatra aza ny Soratra Masina fa Andriamanitra dia tia anao tahaka ny nitiavany an’i Jesosy. Andeha hojerentsika ao amin’ny Jaona 5:20 “Fa ny Ray dia tia ny Zanaka, ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny Tenany; ary asa lehibe noho ireny no asehony Azy mba ho gaga ianareo.” Izao no ambaran’Andriamanitra eto: “Manao izany asa lehibe rehetra izany Aho amin’ny alalan’i Jesosy, mba ho gaga ianareo.” Fantatrareo ve fa tsara ny mitalanjona amin-javatra iray, sy manaja ny zavatra ataon’Andriamanitra? Vakiantsika ireo Soratra Masina ireo nefa matetika tsy azontsika izay tian’Andriamanitra atao ho antsika. Tiany isika hijery ny asa lehibe izay nataony

Page 10: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

4

tamin’ny alalan’i Jesosy, sy hitolagaga ka hilaza hoe: “Endrey, ry Andriamanitra ô! Tena mahafinaritra loatra izay nataonao tamin’ny alalan’i Jesosy.”

Rehefa izany, dia tiany ianao hitodika amin’ny Baiboly, ao amin’ny Jaona 14:12 izay manambara fa hanao asa mitovy amin’izany Izy amin’ny alalanao, ary asa lehibe noho izany no hataonao satria Jesosy nankany amin’ny Rainy. Mino izany ve ianao? Mino marina ve ianao fa tia anao Andriamanitra ary hampiasa anao Izy?

Niteny tamiko ny Tompo indray andro raha teo am-pianarana iny aho, hoy Izy: “Joyce, manao zavatra sesehena ho an’ny olona aho isan’andro satria tia azy, ary toa tsy hitany akory izany. tsy tsapany velively izany.

Hanome anao ohatra iray monja Aho. Isan’andro rehefa miresaka amin’ny masoandro Aho ka miteny hoe: Miposaha, dia nataoko izany ho an’i Joyce, ho an’i Betty, ho an’i Jamie, ho an’i ...(fenoy eo ny anaranao).” Miatoa aloha dia saintsaino ny amin’izany. Miposaka eny amin’ny lanitra isan’andro ho anao ny masoandro. Ny masoandro! Izany anefa dia raisintsika ho toy ny zavatra mandeha ho azy ihany. Fantatsika fa hiposaka ny masoandro isan’andro, ary ho anao indrindra no iposahany. Rehefa mirotsaka amin’ny fotoanany ny orana, dia ho anao indrindra no irotsahany. Rehefa milatsaka ny ranomandry dia milatsaka ho anao izany. Tahak’izany ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra anao.

Page 11: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

5

Ny ao amin’ny Deotornomia 7:9 dia manambara toy izao: “Koa aoka ho fantatrareo fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mifandimby.” Heverinao ve fa ny taranaka arivo mifandimby dia ampy hahazoanao mandray ny fitiavan’Andriamanitra? Jereonao anie fa Izy dia Andriamanitra maharitra mandrakizay e! Ary ianao dia tsy afaka ny haharitra ny herin’Andriamanitra mihitsy. Ny maro amintsika dia mihevitra fa naharitra ny herin’Andriamanitra fotsiny izao isika amin’ny tsy fahombiazantsika sy ny korontana ataontsika, kanefa dia tsy hahavita izany isika. Tsy mety ritra ny fitiavana ary tsy hahasakana an’Andriamanitra tsy ho tia anao ianao. Ny fitiavana dia tsy hoe zavatra ataon’Andriamanitra. Izy mihitsy no tena fitiavana. Na ny mpanota faran’izay maloto sy matevin-koditra indrindra efa nandia ity tany ity aza, no handrora ny tavan’i Jesosy ka hiteny hoe: “Tsy te-hifampiraharaha aminao na amin’inona na amin’inona aho ary mahafapo ahy tanteraka ny mankany amin’ny helo,” dia mbola tian’Andriamanitra ihany. Koa ahoana moa no tsy itiavan’Andriamanitra anao izay voafidy ary voatokana ho amin’izay efa kinendriny? Nilaza ianao hoe: “Nandray an’i Jesosy tato am-poko aho. Tia Azy aho.” Kanefa manontany anao hoe hatraiza moa ny halalin’ny finoanao fa tia anao Andriamanitra?

Hafatra tsotra ary tena tsotra ho anao izao: Tia anao Andriamanitra. Ary izany no fototra hanorenan’Andriamanitra

Tia anao Andriamanitra

Page 12: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

6

ao aminao ny zavatra sisa rehetra. Na toy inona na toy inona zavatra hafa mety hianaranao, ary na toy inona hamafin’ny fianaranao sy fikatsahanao ny zava-panahy, rehefa tsy afaka hanaiky ianao fa tia anao Andrimanitra, dia tsy ho lasa lavitra akory ianao.

Ny fitiavan’Andriamanitra anao no fototra iorenan’ny finoanao, sy ny fahafahanao amin’ny ota, ary ny fahasahianao mandeha mitory amin’ny hafa ihany koa. Moa afaka handray ny fitiavany anao ve ianao?

Tia ANAO Andriamanitra

Page 13: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

7

2

Mendrika manao ahoana aho?

Izany fanantenana izany dia tsy mahakivy, tsy mamitaka na mampahamenatra antsika na oviana na oviana satria ny fitiavan’Andriamanitra no naidina tao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay nomena antsika. Fa fony mbola tao amin’ny fahalemena isika - tsy nanan-kery hanampy ny tenantsika manokana - dia maty ho antsika (hisolo antsika) mpanao ratsy Kristy tamin’ny fotoan’andro nahamety izany. Ary izao: zavatra hafakely loatra ny fanoloran’ny olona iray ny ainy, na dia hoe ho an’ny olo-marina aza izany; fa angamba ho an’ny olona nanisy soa, mendrika sy maha - te - ho tia ary tena nalala-tànana ihany no hisy sahy ho faty. Kanefa Andriamanitra dia mampiseho ary manaporofo mazava ny fitiavany anao manokana araka izao zava-misy izao: fa fony mbola mpanota isika dia i Kristy, ilay Mesia, ilay Voahosotra, dia maty ho antsika. Noho izany, satria efa nohamarinina isika - efa afa-trosa, efa natao ho marina sy nentina ho eo amin’ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra - noho ny amin’ny ràn’i Jesosy, koa mainka va (ary marina indrindra izany) tsy hovonjeny isika amin’ny

Page 14: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

8

fahataf intohinana sy ny fahatezeran’Andriamanitra. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika dia efa nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, tsy mainka va ankehitriny (azo antoka izany) rehefa nampihavanina isika dia ho voavonjy (ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota isan’andro) amin’ny alalan’ny (f itsanganany tamin’ny maty) ny f iainany

— Romana 5:5 -10

Maro amintsika no afaka hino fa tia antsika foana Andriamanitra rehefa milamina ny fiainantsika. Ny ankamaroan’ny olona dia tsy tia ny tenany loatra, hany ka ambarany tsotra fa tsy afaka hiraika loatra aminy koa Andriamanitra. Nefa hoy ny Baiboly: “Inona moa ny olona no ahatsiarovana azy?” Salamo 8:4 Noharin’Andriamanitra isika, ary tia antsika noho izany Izy. Tiany isika satria Fitiavana Izy. Tia anao Izy, ary manokana ianao Aminy, izany dia midika hoe miavaka ianao ary tsy manam-paharoa. Tsy natao hitovy amiko ianao, izaho tsy natao hitovy aminao; ary ho fadiranovana isika raha miezaka ny hitovy amin’ny hafa na iza izany na iza. Izany mantsy dia manome vahana tsotra izao ny devoly hilaza fa tsy dia “tsara manao ahoana” ianao. Maty ho anao ve Jesosy satria ianao no tena fatratra sy mampitolagaga, sa maty ho anao Izy satria tia anao? Ny Baiboly manambara fa lalina tokoa ny fitiavany ahy matoa nanaiky ny ho faty ho ahy Izy, mainka va fa rehefa nohamarinina tamin’ny ràny, ka tsy ho tiany aho ? Romana 5:9

Lalina tokoa ny fitiavany anao matoa saronany ny fahadisoanao madinidinika isan’andro. Lalina mihitsy ny

Page 15: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

9

fitiavany anao matoa mampamakivaky anao ity andro ity amin-kery sy fandresena Izy.

Nampiseho ahy ohatra iray Andriamanitra indray andro ny amin’ny hoe ahoana no fahitany ny fahadisoantsika sy ny kilemantsika. Alaivo sary an-tsaina anie: ankizy kely iray, eo amin’ny telo na efa-taona eo ho eo, izay mijery mandrakariva ny reniny manao ny raharaha ao an-trano. Ary dia tiany loatra io reniny io! Dia iny izy naka siny kely iray feno rano, sy tapa-damba kely, ary dia nanatona teny amin’ny varavarankely misy sarisary manoloana ny fidirana. Nokosehiny tsara tokoa ny varavarankely, avy eo naka taratasy famaohana vitsivitsy izy dia nofafàny ny varavarankely. Mazava loatra fa mifariparitra sy maditidity toy ny misy menaka sy mifetafeta toy ny misy savony izany rehetra izany. Ary rehefa hitanaoizay nataony, dia hotsapanao fa ny tapa-damba fandiovana tsara indrindra no nampiasainy, ary tianao aolana mihitsy ny tendany amin’izany. Nefa iny izy tamy miditra ary amin’ny feo kely sady malefaka no itenenany hoe: “Neny, neny, nosasako ny varavarankelinao. Tena tsara mihitsy ny zavatra nataoko ho anao. Tiako ianao ry neny.” Raha reny manam-pitiavana dia hiteny hoe: “Andray! Tena mahafinaritra loatra ny nataonao; misaotra anao nanampy an!” Rehefa izany, raha iny vao variana any an-kafa any iny ilay zaza, dia hodiovin-dreniny ilay maloto ary dia hamporisika ny zanany tsy hamerina intsony izy amin’ny manaraka. Nambaran’Andriamanitra fa tahaka izany no ataony amintsika. Dioviny foana ny maloto ataontsika. Raha manao ny tsara indrindra hainao manao ianao, dia izay ihany no andrandrain’Andriamanitra aminao. Tsy miandrandra anao hanao zavatra tsy ho vitanao Izy. Afaka

Mendrika manao ahoana aho?

Page 16: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

10

manova anao Izy raha sitrakao ny hiteny hoe: “Marina Ianao Andriamanitra fa izaho no diso. Efa nanandrana aho fa tsy afaka nanova izany.”

Dia hanao izany Izy satria fantany fa tsy afaka hanova ny tenanao ho tsaratsara kokoa ianao raha tsy misy ny fanampiany.

“Fa izay nirahin’Andriamanitra dia nilaza ny Teniny - manambara ny hafatr’Andriamanitra manokana - tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny fa tsy hoe anavahany na afatrany! Ny Ray tia ny Zanaka, ka efa nanolotra - nanankina, nametraka - ny zavatra rehetra ho eo an-tànany”

Jaona 3:34-35

Indray andro raha nianatra aho, ka nandinika io andininy io dia tafatoetra teo, ary latsa-dranomasom-pifaliana rehefa nahatsapa fa tsy omen’Andriamanitra amin’ny famarana ho antsika ny Fanahiny.

Tsy manome kely fotsiny amin’ity ho anao na kely fotsiny amin’iry Izy. Hoy Izy: “Indro, raiso izay rehetra ananako.”

Ny sombiny rehetra amin’ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavany dia azonao ampiasaina avokoa anio. Manana izay rehetra ilainao Izy ary tiany ianao handray izany. Nahoana àry? Satria tia anao Izy. Tsy hoe tsy maintsy manao tsaratsara ianao vao mendrika izany, satria tsy afaka hanao izany rahateo ianao. Tsy hoe tsy maintsy manao mahafatifaty ianao, na hoe tsara fitafiana, fa te-hanome anao Andriamanitra satria tia anao Izy.

Page 17: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

11

Hoy Andriamanitra ao amin’ny Deotoronomia 7:6-7: “Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitra ianao, fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza.” Nofidin’Andriamanitra ny Zanak’Israely mba ho firenena manokana ho Azy, ary amin’ny maha-fiangonana antsika dia isika no tena Israely ara-panahy marina ankehitriny. Tahaka izany koa, natao ho anao indrindra ity Soratra Masina ity toy ny nanaovana azy ho an’ireo koa. Hoy Izy: “Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany no nifidianako anareo.” Raha ampiharina amintsika izany, dia toy izao no heviny, “Tsy ny nanaovanareo ny mety sy ny marina na satria ianareo tena kanto loatra no nifidianako anareo.” Mbola manohy Izy manambara fa vitsy noho ny firenena rehetra aza ireo.

Ny zava-misy dia izao, raha toa ianao ka tahaka ahy, dia ho nihevitra marimarina fa ianao dia ratsy noho ny hafa rehetra talohan’ny nahavoavonjy anao. Na izany aza ao amin’ny andininy faha-valo, dia hoy Andriamanitra: “Fa ny nitiavan’i Jehovah anareo sy nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’i Jehovah anareo tamin’ny tànana mahery sy nanavotany anareo tamin’ny trano nahandevozana, dia tamin’ny tànan’i Farao, mpanjakan’i Egypta.”

Mampihoraka izany, ray olona! Hoy Andriamanitra: “Napetrako taminareo ny fitiavako, ary nolazaiko taminareo fa manokana ianareo. Nofidiko ianareo, tsy noho ianareo tsara

Mendrika manao ahoana aho?

Page 18: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

12

sady kanto loatra, fa satria tiako ianareo.” Fantatrao ve ny zavatra tian’Andriamanitra ataonao anio? Tiany hanaiky sy handray ny fitiavany ianao.

Ho an’ny maro amintsika, ny olana goavana indrindra dia ny tsy fitiavantsika ny tenantsika.Tsy mino isika fa tia antsika Andriamanitra, na hoe misy olon-kafa tia antsika, noho izany antony izany.

Mieritreritra isika hoe: “Ahoana moa no ahazoany manao izany? Izaho izay olona ranofotsiny ity?” Raha mino ianao fa ratsy sy tsy mendrika, dia hisaina, hijery ary hanao ratsy sy tsy mendrika ianao. Tsy afaka hihoatra ambonin’izay sarin’ny tenanao volenao ao am-ponao izay ianao. Ny olana goavana tamiko dia izaho tsy tia ny tenako, ary nandany 75% farafahakeliny tamin’ny fotoanako aho nanandrana nanova ny tenako. Noheveriko fa basy vava loatra aho, ka dia nanandrana ny nangina. Kanjo nony nangina aho, dia tonga kivy ary ny olon-drehetra te-hahalala ny nampangina ahy. Dia hoy aho anakampo hoe: “Fa ianao nilaza tamiko fa be vava aho. Avelao amin’izao aho. Manandrana fotsiny ny hangina aho.” Tsy afaka ny hilaza aminao aho hoe firy taona no laniko tamin’izany. Ary mbola nahita olana foana noho ny vavako aho. Maro ny olona tena vavàna no manambady olona tena vitsy teny. Vao mainka maneho ny vavabenao aza izany, ary hampahatsiaro izany anao lalandava ny devoly. Ary izany no atao hoe fanamelohana.

Tian’Andriamanitra ho afaka amin’ny fanamelohana isika, nefa mitaky finoana sy fahasahiana (ny te-ho afaka) izany. Moa fantatrao ve fa na toy inona na toy inona fahatsapanao ho meloka,

Page 19: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

13

dia tsy hahonitra na dia fahadisoana iray vitanao aza izany? Tena mafy ny hino fa tia anao Andriamanitra rehefa manao fahadisoana ianao. Mamely dia mamely anao ny devoly amin’ny fisainana hoe: “Tena ratsy sy tsy mendrika ary maharikoriko ianao. Vitanao ilay izy izao! Mihevi-tena ho iza ianao?”

Tsy hitady anao intsony Andriamanitra, dia ianao izay maloto sy ratsy io. Tsy afaka mijoro vavolombelona na amin’iza na amin’iza ianao izao. Tsy mahefa manao zavatra tsara na inona na inona ianao.

Amin’izay no ilàna fahasahiana hitsanganan’ilay olona ao anatinao ka hiteny hoe: “Ray ô, nanao fahadisoana aho, ka mangataka Aminao noho ny ràn’i Jesosy mba hamela ahy. Tena mitsotra ato am-poko aho, mila ny famelànao aho. Ry devoly, mialà ianao. Jesosy no nandoa ny otako ka tsy raharahanao izany.” Dia tohizo ny dianao ka miravoa sy mifalia. Nefa mety hieritreritra toy izao ianao hoe: “Mbola mitohy manao io zava-dratsy io hatrany aho.” Izaho zatra nisaina toy izany, ambara-pitsahatro tsy hahatsapa izany hoe fanamelohana izany intsony. Rehefa tsy tsapanao intsony ho meloka noho izay vitanao ianao, dia hitsahatra tsy hanao izany intsony.

Ny heloka sy fanamelohana dia mitambesatra foana aminao ary manakivy anao ambara-pahatonganao tsy ho voafatotra intsony. Ilaina ho feno fahasahiana ny olona raha te-ho afaka amin’ny fehin-keloka. Sahia mandeha amin’ny finoana, mijoroa ka mitenena hoe: “Laviko ny fehin-keloka.”

Hiteny aminao ny devoly: “Te-hilaza ve ianao fa tsy hahatsiaro hafahafa noho izany na dia kely akory aza? Nahoana?

Mendrika manao ahoana aho?

Page 20: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

14

Tokony hahatsapa ho hafahafa mandritra ny ora vitsivitsy ianao farafahakeliny. Tena zava-dratsy anie ilay nataonao e!” Izao ihany no avalinao izany: “Tsia! Azoko antoka fa tsia. Tsy hahatsiaro hafahafa noho iny mihitsy aho.” Mafy izany amin’ny voalohany kanefa afaka in-3 na in-4 eo (ho eo) no anaovanao izany dia ho voahazonao izany. Ao amin’ny Isaia 53:5-6 ary 11 ao amin’ny Baiboly raha atao dikateny malalaka dia manambara amintsika fa rehefa mitondra ny fahotantsika Jesosy dia entiny koa ny heloka sy ny fanamelohana.

Tsy tian’ny devoly ho afaka amin’ny fanamelohana ianao. Nahoana? Satria raha mahatsiaro meloka ianao, dia tsy afaka tena hianoka amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Mampisaraka anao amin’Andriamanitra ny fanamelohana, ary milatsaka toy rindrim-by eo anelanelanao sy Andriamanitra. Tsy afaka mahita an’Andriamanitra Ray ianao raha lavo amin’ny heloka; ny hany mety hohitanao dia ny heloka sy ny ota eo anoloanao. Mandehana amin’ny fahafahana amin’ny fanamelohana, ka minoa fa rehefa nilaza Andriamanitra fa ny fahasoavany dia ampy hanarona na dia ny fahotanao aza, dia izany tokoa no tiany hambara. Tiany ianao, ary fanomezana maimaimpoana ny fahasoavany sy ny famelàny heloka. Raiso izany anio!

Tia ANAO Andriamanitra

Page 21: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

15

3

Ny fitiavana dia f ifandraisana

“Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana ary izay mitoetra ao amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.”

— I Jaona 4:16

Ahoana no ahafahanao mahatsapa sy mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra? Na toy inona na toy inona ny halalin’ny fitiavany anao, raha tsy tsapanao sy iainanao izany dia tsy afaka hitondra soa ho anao akory. Moa fantatrao ve fa mahatretrika kokoa ny mahatsapa fa misy olona maneho fitiavana aminao? Mahatsiaro safononoka sy finaritra aok’izany ianao ka toa azonao raisina amin’ny rambony fotsiny izao tontolo izao satria tsapanao fa tena tiana ianao. Tia anao Andriamanitra ary te-haneho aminao izany fitiavana izany Izy. Tiany hanokana fotoana hiarahana Aminy isan’andro mihitsy ianao.

Page 22: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

16

Tena manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra va ianao? Ny fahelàn’ny fotoana nahavoavonjy anao dia tsy midika avy hatrany fa mianoka amin’ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra ianao. Raha vao mihiratra aho ny maraina dia Andriamanitra no sainiko aloha ary mbola Izy ihany no sainiko ny alina alohan’ny hatoriako. Ary eo anelanelan’izay, manontolo andro dia mbola Izy ihany no saintsainiko. Tsy misy tiako mihoatra noho ny manompo an’Andriamanitra sy ny manao izay mahafaly Azy eto amin’izao tontolo izao. Ary maimaimpoana sy azonao raisina izany. Misy toerana banga maka ny endrik’Andriamanitra ao anatintsika ao izay Izy irery ihany no afaka mameno azy. Tsy misy na inona na inona azonao takarina na zavatra irinao afaka hahafeno io banga io. Mety hiteny irery ianao hoe: “Efa fantatro izany, efa nandray an’i Jesosy aho.”

Fa moa ve ianao mandray Azy isa-minitra, isan’andro, na inona na inona mitranga? Moa ve mandray ny fitiavan’Andriamanitra tsy tapaka ianao? Tia anao Andriamanitra: Manokana ianao Aminy. Noforoniny ianao mba hifandray Aminy. Io no faniriany lehibe indrindra ary izany no tena fanaperana tiany ho anao eo amin’ny fiainanao. Miondrika avy eo ambony seza fiandrianany isa-maraina Izy ary miteny hoe: “Manao ahoana ianao? Tia anao Aho!”

Misy namako iray izay nahita fahitana raha izy mbola nivavaka iny indrindra. Hitany ny Ray namangy tao an-tokantranon’ny vahoaka Amerikana raha izy ireo nifoha maraina iny. Niditra Izy efa vonona hifandray sy hiresadresaka tamin’izy ireo.

Page 23: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

17

Nisintona seza iray ho Azy teo akaikin’ny latabatra teo Izy dia nipetraka. Nifoha ny olona ary indreny niditra ny efitrano dia nivoaka indray, niditra dia nivoaka. Izao no ambentin-teniny tamin’Andriamanitra: “Rehefa avy eo. Andraso eo vetivety aho Andriamanitra. Raha vao vitako ity dia hiresaka Aminao aho. Hifandray Aminao aho rehefa avy eo, Andriamanitra â! Rehefa kelikely Andriamanitra â! Rehefa kelikely!” Tonga ihany ny hariva, ary ilay zazavavy nahita izany dia nilaza fa nahavaky ny fony ny fahitana, satria hitany Andriamanitra nandao ny trano nitanondrika tamin’alahelo. Ary tsy nisy na dia olona iray aza afaka niresaka Taminy tamin’iny andro iny.

Aza dia be herehina sy maro ahiana loatra ianao. Fa mainka ho sahirana kokoa ianao rehefa tsy manana fotoana hivavahana ary tsy manokana fotoana hiarahana amin’Andriamanitra. Makà fotoana hilazanao amin’Andriamanitra fa fatratra ny fitiavanao Azy.Mandalo avokoa izao rehetra izao dia tapitra, afa-tsy ny tambiny. Fa ny zava-dehibe tena ilaina sady maharitra dia Andriamanitra. Izay ihany! Ary raha tsy manana fifandraisana Aminy ianao dieny izao dia efa naman’ny tara fiaingàna. Tsy milaza akory izany fa tsy ho tonga any an-danitra ianao, saingy tsy ho tsapanao ny fifaliana azo amin’ny fiainam-pandresena.

Manoro hevitra anao aho hanokana taona iray ary avelao Andriamanitra hitia anao. Ajanony ny fihezahanao hihetsika am-pinoana amin’ny herinao samirery ary aoka ho lehilahin’Andriamanitra na vehivavin’Andriamanitra manam-pinoana sy feno hery ianao. Manaova jery todika ary meteza ho

Ny fitiavana dia fifandraisana

Page 24: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

18

tahaka ny zazakely. Mankanesa fotsiny eo am-pofoan’ny Rainao ary avelao Andriamanitra ho tia anao. Tsy afaka ny ho tia Azy ianao raha tsy avelanao hitia anao Izy. Ao amin’ny I Jaona 4:16 dia milaza hoe: “Isika efa mahalala, (mahazo, mahafantatra, ary mahatsapa avy amin’ny fandinihina sy ny fanandramana) sy mino (miandany, ary mametraka fitokisana ary miankina amin’) ny fitiavan’Andriamanitra antsika...” Raha nifoha maraina ianao anio, moa mba nanokana fotoana hisainana ny hafatratry ny fitiavan’Andriamanitra anao? Raha vao mifoha ianao ny maraina, dia toa kamokamo matetika.

Nefa ampiasao ny vavanao hanaitra ny vatanao ary hamoha ny fanahy maha-olona mba hijoro sy hanao zavatra mahafinaritra isan-karazany. Koa raha vao mifoha maraina ianao, dia manomboha miteny hoe: “Ray ô! misaotra Anao aho noho ny fitiavanao ahy fatratra toa izao. Misaotra Anao noho nynanirahanao an’i Jesosy ho faty ho ahy. Eny Ray ô! misaotra Anao aho fa miaraka amiko ny Fanahy Masina.

Misaotra Anao aho fa ny herin’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia mitoetra ato amiko. Tompo ô! Misaotra anao aho fa fitahiana aho na aiza na aiza alehako anio. Andriamanitra ô! Tia ahy Ianao, tia ahy Ianao.

Eny na dia eto amin’ity tokantranoko kely ity aza. Tia ahy Ianao.” Tsy maintsy miresaka amin’ny tenanao ianao sy mahafantatra tsara ary mahatsiaro ao an-tsainao fa voahodidina sy voarakotry ny fitiavan’Andriamanitra. Ny Baiboly dia milaza fa manana ny sarinao vita tombokavatsa eo amin’ny felatànany

Page 25: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

19

Andriamanitra (Isaia 49:16). Toa azoko sary an-tsaina Izy any ambony any miteny hoe: “Ndrô! Mahafatifaty aok’izany ô? Tiako loatra io zanakovavy io. Mba jereo ange ireto zanako e! eto amin’ny felatànako mihitsy.” Manana anao eo an-tànany Izy mba ho fampahatsiahivana tsy tapaka ho Azy fa tiany ianao ary maniry ny hanana fifandraisana tsy tapaka aminao Izy.

Aza adinoina ny maneho fankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra ary ampitombohy ny fifandraisanao Aminy ho tonga amin’ny fifankazarana; Indraindray dia ilaina mivavaka miankohoka ianao mba hisaotra Azy satria voavonjy. Miverena amin’ny fitiavana voalohany, todiho ny lasa ary tiavo Andriamanitra. Vakio ny I Jaona 4:16-17 izay milaza hoe: “Andriamanitra dia fitiavana, ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy.” Ao amin’io (firaisana sy fiombonana Aminy io) no hahatonga ny fitiavana ho tanteraka sy hahatrarana ny fanaperana ao amintsika, mba hananantsika fahatokiana amin’ny andro fitsarana. Ny fahalalanao fa tia anao Andriamanitra dia miteraka fahatokiana Azy ao anatinao ary koa mitondra finoana ny fahamarinany.

Ny fitahiana rehetra dia ho tonga ao aminao raha avelanao ho tia anao malalaka Andriamanitra: fitomboana amin’ny finoana, fandresena ny ota, fanasitranana, fivelaran’ny maha-olona rehetra, fifaliana sns...

Tsy azonao mihitsy anefa izany raha tsy mamela an’ Andriamanitra hitia anao ianao. Matetika dia im-betsaka isika no mihodinkodina eo ary mieritreritra manao hoe: “Eny àry e! Tsy maintsy tia an’Andriamanitra aho.” Mino anefa aho fa voalohany

Ny fitiavana dia fifandraisana

Page 26: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

20

aloha, dia tsy maintsy ianao no mamela an’Andriamanitra hitia anao.

Tsy hinoako ho afaka haneho ny fitiavanao an’Andriamanitra ianao raha tsy avelanao aloha Izy hitia anao. Afaka manatsara ny fifankazarako amin’Andriamanitra aho, ary ianao koa dia tena mila fifankazarana Aminy. Saingy ahoana no hahatanteraka izany? Raha niteny tamiko Andriamanitra mba hifankazatra Aminy, dia niala teo amin’ny fandriako fotsiny aho, dia nipetraka ary nanontany nanao hoe: “Ary izao dia ahoana indray no ataoko ry Andriamanitra ô?”. Marina fa tsy haiko ny nisakaiza tamin’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany satria mbola tsy nahalala izany hoe halalin’ny fitiavan’Andriamanitra izany aho. Ahoana no hahafahanao milaza ny fihetseham-ponao amin’ny olona iray? Tena hitia azy amin’ny fitiavana lalina raha tsy azonao antoka aloha ny fitiavany anao? Matahotra ny hanao hadalàna fotsiny ianao.

Mahazo aina tsara kosa ianao amin’ireo izay efa fantatrao fa efa tia anao sy vonona handray anao. Afaka milaza zavatra sy manao zavatra miaraka amin’ny vadiko aho, izay tsy azoko hatao na amin’iza na amin’iza satria fantatro fa tia ahy izy.Toy izany koa amin’Andriamanitra . Koa mandehana àry, dia manomboha avy hatrany. Omeo fotoana hahazoany manao izany Andriamanitra dia hampianariny anao ny fomba hifankazaranao Aminy. Manontania tena dieny izao manao hoe: “Mifanaraka tsara amin’Andriamanitra ve aho?”.

Tia ANAO Andriamanitra.

Page 27: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

21

4

Fitiavana, fahatokiana ary finoana

“Fa ao amin’i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famoràna na ny tsy famoràna, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.”

— Galatiana 5:6

Ny ankamaroantsika dia mandany fotoana be amin’ny fiezahana hanam-pinoana. Fantatsika fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra Hebreo 11:6. Noho izany dia miasa sy mikely aina isika mba hanana finoana misimisy kokoa hatrany. Saingy ny finoana dia avy amin’ny fo, ary ny fifandraisanao am-pitiavana amin’Andriamanitra irery ihany no hahazoanao azy. Tsy afakatena hampianatra anao momba ny finoana aho, nefa afaka hampianatra anao ny fototry ny finoana ary hanentana anao mba hangetaheta ka hanao izay azonao atao rehetra mba hahazoanao izany. Fahitana avy amin’Andriamanitra irery ihany no hahatongavanao amin’izany. Tsy avy amin’ny fikelezanao aina na koa, avy amin’ny fandanianao fotoana maro iezahanao

Page 28: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

22

mitia Azy sy miaraka Aminy no ahazoanao ny finoana sy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Mandania andro mitia Azy ary avelao Izy hitia anao.

“Fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana.”II Kor 5:7

Indray mandeha raha namaky io andinin-tSoratra Masina io aho, dia nanandrana nandeha tamim-pinoana. Hatramin’ny zavatra madinika indrindra tamin’ny fiainako dia tiako handehanana tam-pinoana. Ny Baiboly amin’ny dikan-teny malalaka dia milaza toa izao: Isika no mandrindra ny fiainantsika sy mitondra ny tenantsika araka ny faharesen-dahatra sy ny finoantsika ary ny fahalalantsika izay tokony ho fanekena ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra. Raha hazavaina dia izao: hataoko fotsiny izay hahazoako mandeha am-pinoana arak’izay fahalalako ny tokony ho fifandraisako amin’Andriamanitra. Ataoko angamba fa azonao izany. Ny olona iray izay mihevitra fa tsy marina ny tenany, dia mety hanadino koa ny handeha amin’ny finoana. Marobe ny olona izay manandrana ny mandeha amin’ny finoana ka manana ao am-pony izany rehetra izany. Ny Galatiana 5:6 dia milaza fa ny finoana dia miasa amin’ny fitiavana.

Izao no napetrak’Andriamanitra tato am-poko: Ny olona rehetra dia mieritreritra fa izao no hevitr’ity Soratra Masina ity: rehefa tsy afaka mitia olona izy dia tsy hiasa ny finoany. Tsy

Page 29: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

23

miasa ny finoana raha tsy misy ny fitiavana.

Fa tsy ho hainao ny mitia olon-kafa raha tsy Andriamanitra Tsitoha no avelanao hitia anao mialoha. Samy hafa mihitsy ny matoky an’Andriamanitra sy ny mandeha am-pinoana. Ny mandeha am-pinoana dia miankina Aminy ary matoky Azy amin’ny zavatra rehetra. Tsy afaka hanao izany amin’ny olona iray ianao raha tsy fantatrao mialoha hoe tia anao izy. Mety ho hadinonao koa izao! Tsy afaka ny hatoky an’Andriamanitra na oviana na oviana ianao raha tsy fantatrao mialoha fa tia anao Izy. Raha tena fantatrao ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra, dia tsy olana aminao ny handray fanasitranana. Tsy ho sahirana loatra ianao amin’ny ara-bola. Ny antony tsy hahazoanao fitahiana, dia satria tsy tena mino ianao, tsy matoky fa homen’Andriamanitra anao izany. Hoy ianao hoe: “Eny e! toa te-hino izany tokoa aho, ahoana no hahazoako mino izany?” Efa manana ny fitiavan’Andriamanitra ao anatinao ianao, ny hany sisa tokony hataonao dia ny manomboka mamantatra izany amin’ny fotoana hanehoany Azy aminao. Hoy ny Baiboly: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” I Jaona 4:19. Tsy ho azonao atao mihitsy ny hitia an’Andriamanitra raha tsy nomena toky ianao fa Izy aloha no tia anao taloha.

Efa ao anatinao daholo izany, ao am-ponao. Efa ao izany: tia anao Andriamanitra! Kanto loatra ianao, tsara ianao! Sarobidy ianao! Fatratra ianao! tia anao Andriamanitra. Tsy misy olona na iza na iza mihitsy tia anao tahaka ny itiavan’Andriamanitra anao.

Fitiavana, fahatokiana ary finoana

Page 30: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

24

Andriamanitra tokana ihany no ilainao fa Izy kosa no hanome anao olon-kafa eo amin’ny fiainanao. Ny tena marina dia izao; raha tsy nisy olon-kafa afa-tsy ianao sy Andriamanitra teto, dia tsara mihitsy, ho namanao akaiky indrindra Andriamanitra amin’izay. Ho tena namanao mihitsy Izy raha tsy manana namana ianao. Ho reninao na rainao Izy raha tsy manana ray na reny ianao. Toy izany nohalalin’ny fitiavan’Andriamanitra anao. Izany no tokony hatokianao Azy amin’ny zavatra rehetra. satria tia anao loatra Izy, dia aoka ho fantatrao fa tiany ho tsapanao izany. Ary mandra-pahafantatrao fa tian’Andriamanitra hahatsapa izany ianao, dia tsy ho ampy mihitsy ny finoana hihetsehanao mba handraisanao zavatra any Aminy na inona izany na inona.

Miasa ny finoana raha avelanao hitia anao Andriamanitra. Tsy ampy ny fahaizanao mifanerasera sy mitia olon-kafa fotsiny. Avelao Andriamanitra hitia anao. Amin’izay rehetra alehanao mandritry ny andro, dia mitenena amin’Andriamanitra hoe: “Andriamanitra ô! fantatro fa tia ahy Ianao, Haleloia! Ray ô! midera Anao aho! mankalaza ny Anaranao aho.” Raha nanontanian’ny olona ny Apostolin’Andriamanitra lehibe Smith Wigglesworth raha toa ka manana fotoana ivavahana maharitra izy, dia izao no navaliny: “Mahalana mihitsy vao mba mivavaka mihoatra ny telopolo minitra, nefa mahalana koa no handaniako telopolo minitra tsy hivavahana.”

Nilaza koa izy indray mandeha, fa raha mandeha dimy ambin’ny folo minitra indray maka tsy misy fifandraisana amin’Andriamanitra izy, dia tsy maintsy ibebahany izany.

Page 31: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

25

Mandrakariva isika, dia mandray zavatra amin’ny lafiny ratsy foana. Tsy avy amin’ny asanao no hampisy izany. Fa ho tahian’Andriamanitra ianao satria tia anao Izy, toa izay nanomezany anao ny famonjena ihany koa. Tsy hanana olona ao amin’ny ankohonanao ianao, na olon-kafa raha tsy avy amin’ny fiasanao ho amin’izany ihany. Avelao Andriamanitra hitia anao. Rehefa izany, amin’ny fotoana ahitanao olona ho ankohonanao, dia ho vonona ianao hitia azy. Ny Baiboly dia milaza fa raha hitia izany ankohonanao izany ianao ka tsy mitady izay handresena lahatra azy amin’ny teninao na izay mety fanirianao manokana, dia mitarika azy sahady ho amin’i Jesosy ianao izay. Ny Fanahin’Andriamanitra dia hitarika ny fianakavianao amin’ny alalan’ny fitiavan’Andriamanitra. Fa tsy afaka ny hitia ny hafa ianao, raha tsy avelanao aloha Andriamanitra hitia anao. Ny Efesiana 2:8 dia milaza hoe: “Fa fahasoavana, (fanomezana maimaimpoana) no namonjena anareo.” Mba tsapanao moa fa tsy nanao na inona na inona ianao mba hamonjena anao? Ny ankamaroanareo dia mivarilavo raha mbola misy koa io masoandro io. Tamin’izany toerana izany anefa no namonjen’i Jesosy anareo; ary tsy noho ny asa tsara nataonareo, na ny fahafahanao nanao zavatra marina no inoana fa fototr’izany. Fa izany dia noho ny zavatra iray monja ihany: Tia anao loatra Andriamanitra ka nanome ny Zanany Lahy Tokana mba tsy ho very izay mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. Ny fahasoavana koa dia azo fantarina amin’ny fetezan’Andriamanitra hampiasa ny fahaizany eo amin’ny fiainanao mba hifandraika amin’izay ilainao rehetra. Andriamanitra ihany, izay nanome

Fitiavana, fahatokiana ary finoana

Page 32: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

26

anao finoana ampy, mba hamonjena anao, no hanome anao koa finoana hinoanao fa mpanasitrana anao koa Izy.

Nomeny anao ny finoana hanaiky fa mpiahy anao Izy. Raha ampy ny finoana omeny anao ho fanavotana anao, noho ny fahotanao rehetra, dia io finoana io ihany, izay efa ao anatinao rahateo, no hifanojo amin’izay ilainao rehetra mandritra ny fiainanao.

Tia ANAO Andriamanitra

Page 33: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

27

5

Afaka amin’ny tahotra

“Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra, fa mampahory ny tahotra. Izay mbola matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.”

—I Jaona 4:18

Matetika isika dia mandeha mifanindran-dàlana tsara amin’ny finoana, matoky fa tia antsika Andriamanitra, ary isika koa miankina Aminy. Kinanjo tampotampoka foana eo, dia misy zavatra mamely antsika. Ny mpangalatra finoana rain-dahiny dia ny toe-javatra ratsy mitranga amintsika. Tsy dia mananosarotra anao loatra ny mino, fa tia anao Andriamanitra mandra-pitrangan’ny toe-javatra izay toa mampiseho tsy fitiavana. Amin’izay no tonga ny tahotra sy ny fanamelohan’ny devoly mba hampisaraka anao amin’izay tokony hanafaka anao dia ny Fitiavan’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Hanky! Inona ity? Noheveriko fa tia anao Andriamanitra, koa ahoana àry no zavatra

Page 34: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

28

ratsy toy izao no niseho taminao? Tsy maintsy nanao zavatra ratsy mihitsy ianao ka! Tena tezitra aminao tokoa Andriamanitra.” Noho izany dia very ny fahatokianao an’Andriamanitra, nefa tsy afaka hanampy anao Izy raha tsy matoky Azy ianao. Tsy afaka ny hatoky Azy ianao, na ho feno finoana Azy raha tsy fantatrao fa tia anao Izy. Ary rehefa mandray ny antontan’entan’ny tahotra sy ny fanamelohan’ny devoly ianao dia tsy fantatrao intsony hoe hatraiza ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra anao. Ny teny ao amin’ny I Jaona 4:18 dia milaza zava-dehibe tokoa sady mafonja dia mafonja. “Fa ny Fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra.” Nandinika, dia nandinika io Tenin’ny Soratra Masina io aho sady nanandrana ny hanakatra ny heviny, nony farany indray andro dia nalatsak’Andriamanitra tao amin’ny fanahiko izany.

Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra ao amintsika ary Andriamanitra io fitiavana tonga lafatra io. Rehafa hainao ny maha-lavorary io fitiavana io eo aminao, dia tsy hisy na inona na inona hatahoranao ny zava-boahary rehetra. Tsy hainao ny hatahotra raha mahazo fanambarana manokana ianao milaza fa tia anao Andriamanitra. Tsy hainao ny hanahy ny tsy fahombiazana eo aminao raha miankina amin’Andriamanitra ianao. Ny hany mahatonga ny tsy fahombiazantsika dia ny fiankinana amin’ny tenantsika samirery. Rehefa fantatrao fa tia anao Adriamanitra, dia tsy hatahotra fanilikiliana ianao.

Ny fitiavan’Andriamanitra dia midadasika indrindra ka mahenika ny zavatra rehetra.

Page 35: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

29

Mieritreritra ve ianao fa, io Andriamanitra io ihany izay nanavotra anao sy nanafaka anao, no handeha hanameloka anao indray? Satana no mpiampanga.

Handresy lahatra anao ny amin’ny ota eo amin’ny fiainanao Andriamanitra ary hasehony anao ny làlana ahafahana amin’izany. Ao amin’ny Baiboly dikan-teny malalaka dia izao no ambaran’ny Soratra Masina. “Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana - Tsy misy horohoro - fa ny fitiavana lavorary (feno sy tanteraka) dia mamoaka ny tahotra any ivelany ary mandroaka izay rehetra mety ho tandindona fanahiana! satria ny tahotra dia mifono hevitra famaizana, noho izany; izay olona matahotra dia tsy nahatratra ny fahamatorana feno eo amin’ny fitiavana tapitr’oihatra.” Betsaka ny olona no mieritreritra fa ny Soratra Masina dia midika fa rehefa mitia ahy ianareo dia ampy izay mba tsy hatahoranareo ahy, na koa, rehefa afaka mitia olon-kafa ianao dia ampy izay mba hialan’ny tahotra eo amin’ny fiainanao. Tsy izany anefa no izy fa rehefa avelanao hitia anao Andriamanitra, dia ho afaka ny tahotrao. Tsy maintsy avelanao aloha Andriamanitra hitia anao raha tsy te-ho feno tahotra ianao eo amin’ny fiainanao. Raiso ho anao izao ankehitriny izao ny fitiavan’Andriamanitra, avy amin’ny alalan’ny asam-pinoana. Andeha àry hanatratra ny finoana ary handray ny fitiavan’Andriamanitra feno hoa anao. Avy hatrany taorian’ny nanomezan’Andriamanitra ahy io fanambarana mikasika ny fitiavany izay mandroaka ny tahotra io, dia voatery nanao ny fampiharana izany aho. Nanana olana mikasika ny fiara izahay,

Afaka amin’ny tahotra

Page 36: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

30

noeritreretinay fa ny milina mpamindra angovo mankany amin’ny kodiarana no simba tamin’ny fiaranay. Nanana olana lehibe tamin’io izahay! Tsy maintsy ho any amin’ny efatra na dimy dôlara any ho any vao mahasolo azy raha tena simba tanteraka ilay izy, nefa tsy manam-bola izahay. Noho izany dia nanohy nitondra ilay fiara ihany izahay.

Nanampy ahy Andriamanitra tamin’io maraina io ary niteny hoe: “Ry Joyce, amin’izay alehanao rehetra mandritra ny andro dia tiavo Aho, ary avelao Aho hitia anao. Tsy mila na inona na inona afa-tsy izay ianao.Izay ihany. Avelao aho hitia anao.” Noho izany dia noraisiko ny finoana masina rehetra nananako ary niorina tamin’izany aho ka nihira tany am-pivezivezena rehetra tany sady namoron-kira ho an’Andriamanitra, ary nahafinaritra tokoa ny androko.

Tampoka teo, dia reko ny vadiko niverina avy tany amin’ny garazy. Vao 45 minitra talohan’izay no nandehanany niasa. Novohany ny varavarana ary hoy izy: “Tsy vitako mihitsy ny manala io milina io amin’ny fiarantsika. Aleo avela hipetraka ao ihany io.” Narindriko fotsiny ny varavarana dia nanomboka nihomehy aho, finoana izany. Nihomehy Abrahama, hehim-pinoana ny azy. Nony nanatona azy Andriamanitra ka nilaza taminy fa hiteraka zazalahy izy, dia nihemotra Abrahama ary nihomehy sy nilaza hoe: “Voninahitra anie ho an’Andriamanitra! Mino izany aho.” Fa Saraha kosa dia nihomehy noho ny ahiahy sy tsy finoana, ary nahitsin’Andriamanitra izy, fa Abrahama tsy mba nahazo fanakianana. Tsy niteny mafy azy Andriamanitra noho

Page 37: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

31

ny fihomehezany. Noho izany dia misy fihomehezana araka ny finoana. Raha tonga hanohitra anao ny devoly, ka fahadalàna sy fanazimbazimbana be no kasainy atao, dia fantatrao tsara loatra ny Andriamanitrao ka tsy hampaninona anao izany. Fantatrao fa tia anao Andriamanitra ary mahasahana izany rehetra izany Izy.

Raha nihomehy nikasika ilay milina aho, dia nilaza zavatra tao am-poko Andriamanitra tamin’ny feo tony sy malefaka, nefa nanan-danja tokoa. In-telo Izy no nilaza tamiko: “Raha toy izany no ataonao amiko ry Joyce, dia tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana Aho.” Toa ohatra ny ny nivoaka avy tao amin’ny rivotra niainanay tao an-trano ny fahatsapako izany. “Tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana Aho. Tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana Aho.” Raha miankina amin’Andriamanitra ianao, ka mamela Azy hitia anao, ary ianao ho tia Azy, dia afaka manadino ny andrana lesona rehetra mikasika ny fampiharana ny finoana ianao. Avelao fotsiny Andriamanitra hitia anao, ary ianao hitia Azy, dia Izy no hiantoka ny zavatra rehetra handeha ara-dàlana tsara. Ny fitiavan’Andriamanitra dia hipoitra avy ao anatinao ka handroaka ny tahotra rehetra.

Tia ANAO Andriamanitra

Afaka amin’ny tahotra

Page 38: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

32

6

Ny fitiavana mahatratra ny hafa, dia mizara

Ary izao no didy efa azontsika taminy: “Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.”

— I Jaona 4:21

Zanak’Andriamanitra voatokana mihitsy ianao. Nilaza izany izy ao amin’ny Deotoronomia 7:6. Raha manomboka manao toy izany ianao, dia hanomboka hanova izao tontolo izao izany. Andeha ho any amin’ny magazay lehibe amin’ny tarehy feno tsikitsiky, ary ho raisinao ny harona fitondrana entana ka hiteny ianao hoe: “Izay zavatra rehetra kasihiko dia voatahy avokoa, Haleloia!. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra!” Mandehana fotsiny misiotsioka manerana ny mangazay, mihirahira, manao zavatra hafakely mihitsy amin’izay rehetra alehanao. Rehefa manomboka mahafantatra isika fa olona manokana isika, ary manomboka mihetsika toy ireny hoe tian’Andriamanitra ireny, dia ho azontsika ho an’i Jesosy izao tontolo izao. Mihanaka

Page 39: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

33

toy ny afo tsy hay fefena ny fitiavana. Fa tsy hisy tsara ho vita mihitsy raha mandehandeha any ianao ary miteny hoe kristiana aho nefa mitrerona: “Kristiana aho! Kristiana aho!” nefa raha vao misy fiara manapaka eo alohanao dia miteny toy izao ianao: “Sss! Aza manembatsembana! Moa tsy fantatrao va fa ho any am-piangonana aho? Ho tara amin’ny fivoriana aho! Mahasosotra!” Toy izany no ataontsika indraindray. Vonona hitazona ny fandresena ve ianao? Mandehana araka ny Fanahy, ary tano mafy ny fandresena ka mitenena manao hoe: “Ry devoly! Ampy izay ny nihazonanao ahy tamin’ny lainga sy ny tahotra. Olona manokana aho ary mandresy amin’ny anaran’i Jesosy satria tiia ahy Andriamanitra, ary tsy azonao ovana izany.”

Ny fitiavan’Andriamanitra ao anatinao ao hanafaka anao amin’ny tahotra ka ho sahy hanakatra ny hafa am-pitiavana ianao. Ny hinoanao izany no tian’Andriamanitra ary miteny Izy fa hanao asa lehibe kokoa avy amin’ny alalanao satria Jesosy dia nankany amin’ny Rainy. Tena mino tokoa ve ianao fa hampiasa anao Andriamanitra? Omen’Andriamanitra anao izay hatokisanao Azy. Tsy hatahotra ny handroso mihitsy ianao.

Tsy hanomboka hilaza aminao akory aho hoe impiry aho no nijoro teo anoloan’ny zavatra lehibe sy mampahatahotra, saiky tsy hanao mihitsy nefa hoy Andriamanitra: “Mahereza ry Joyce â! Mahereza! Hanao zavatra lehibe amin’ny alalanao Aho. Mahereza!” Avy hatrany, tsy am-pihambahambana no nanaovako azy, ary na dia indray mandeha monja aza tsy navelan’Andriamanitra hiala maina aho.

Ny fitiavana mahatratra ny hafa, dia mizara

Page 40: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

34

Fantatrao ve ny antony tsy nampanahy ahy mihitsy ny handroso na natahotra ny tsy hamokatra? Satria tia ahy Andriamanitra. Tia ahy Izy, ary fantany fa tia Azy aho, ary avy amin’ny fahasoavany no nametrahako ny fiainako ho Azy. Raha manao izany ianao, raha tia an’Andriamanitra ianao, ary Izy tia anao, dia tsy hisy olana ka tsy ho voavaha ety an-tany. “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana ve sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?” Araka ny voasoratra hoe: “Fa noho ny Aminao no namonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, nahery, na ambony, na ny ambanyn na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Tompontsika.” Romana 8:35-39

Mety tsy ho azonao an-tsaina angamba ny fanirian’Andriamanitra te-hanafaka anao. Rehefa tsy faly ianao dia heverinao fa mikapoka Andriamanitra. Indraindray dia mifoha ianao ary sorisorena mandritra ny andro. Fantatrao ny karazan’andro resahiko eto. Dakanao ny saka, treroninao ny ankizy, hankahalainao ny mpiara-monina aminao ary ny tarehinao dia mampiseho tsy fahafaliana sy fahasorenana. “Ny zavatra hany ataoko dia ny miasa, miasa, ary tsy misy na iza na iza mankasitraka ny ataoko. Sss! Sss!” Fantatro izay ataoko satria

Page 41: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

35

vitako rahateo izany. Nahoana ianao no tsy mijanona any an-tsekoly mandritry ny efatra ambin’ny folo ora ao anatin’ny iray andro fa fito ora monja? Satria mieritreritra ny hodian’ny ankizy ianao. Mba fantatrao ve fa mampalahelo an’Andriamanitra izany? Tsy mitady izay hanorisory anao akory aho; fa miezaka fotsiny hampahatsiaro anao ihany fa raha afaka ny hino ianao fa tia anao Andriamanitra, dia hanomboka hamaly izany fitiavana izany ianao.

Avy eo izany fitiavana izany dia hanenika anao ka hanomboka hitobaka eny amin’ny olon-kafa rehetra manodidina anao eny, dia ho afaka ho tonga malemy fanahy ianao, ary hikorianan’ny vokatry ny hatsaram-panahy.

Raha fikirinao ny filazana fa tia anao Andriamanitra dia ho avy ny fanasitranana anao, ny f ivelaranao koa, ary ho tojo izay ilainao ianao. Nahoana àry? Satria vao manandrana ny homalemy fanahy ianao. Ny antony lehibe tsy ahafahan’Andriamanitra manome ny ankamaroan-javatra tiany omena antsika, dia satria sahirana loatra isika manandrana ny hahazo azy ireny hany ka tsy hitany akory isika amin’ny fametrahany azy ireny amintsika. Mila anao hiala sasatra eo Aminy Andriamanitra, ka hitia Azy fotsiny, ary hamela Azy ho tia anao, sy handray fotsiny izay ilainao eo Aminy. Tsy afaka ny hampiato ny fikorianan’izany fitiavany izany ianao raha tia Azy. Satria raha tena tia ianao, dia ho tonga mpizara. Tsy afaka ny hitia ianao nefa tsy hanome.

Ny tapany farany amin’ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Deotoronomia 7:6 dia milaza hoe: “Voatokana mba ho amin’ny

Ny fitiavana mahatratra ny hafa, dia mizara

Page 42: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

36

tanjona manokana.” Efa niantso anao Andriamanitra. Mety ho any an-tranonao miaraka amin’ny fianakavianao angamba no tena asanao amin’ny ankapobeny nefa nantsoin’Andriamanitra ianao. Rehefa tena tianao tokoa ny hampiasain’Andriamanitra, dia afaka hampiasain’Andriamanitra ianao, na aiza na aiza toerana misy anao. Nefa tsymaintsy apetrakao aloha ny fanorenana. Tsy maintsy mahafantatra ianao fa tia anao Andriamanitra.

Aza mandany ny herim-panahinao rehetra amin’ny fifantohana amin’ny tenanao sy mitady izay hirindran’ny filànao fotsiny. Lazao tsotra amin’Andriamanitra izay ilainao ka ampitomboy ny finoanao mba hahafahanao manome olon-kafa araka izay tadiaviny. Hivavaka Jesosy ary hizaha ny Tavan’ny Rainy mba hampiorina sy hampivelatra ary hanome izay tadiavin’ny olona rehetra manaraka ny fiofanana ara-pinoana omeny. Avy eo dia hitory ny Teny ho azy ireo Izy; hametra-tànana aminy ary handray fahagagana ireo.

Tsy nipetraka fotsiny nialangalana tery an-joron-trano foana izy nandritry ny andro teo am-panandramana ny hino an’Andriamanitra amin’ny zavatra izay tadiaviny. Mila miteny amin’Andriamanitra izay tadiavinao ianao, nefa zavatra iaraha-mahalala iray fotsiny no ilaina amin’izany.

Ny tena irinao eo amin’ny fiainana,na dia izany aza anefa, dia izay tokony ahafahanao manome izay tadiavin’ny hafa. Ny fitomboana (tena izy) raha ny tena marina, dia ny fahaizana mampiasa ny fahasoavan’Andriamanitra manome fahafaham-po izay rehetra mandalo eo anoloan’ny tena.

Page 43: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

37

Ny fitiavan’Andriamanitra dia hanolotra anao fahaiza-manome fahafaham-po amin’izay tadiavin’ny hafa aloha. Mieritreritra ve ianao fa tian’Andriamanitra mba hilazana fa afaka ny hamonjy sy hitia ireo izay tsy dia mpandala fihavanana loatra, ireo kintokintonina, na ireo tsy mahay manakasitraka? Maimaimpoana no ahazoanao mitia olona iray izay tia anao. Tsy misy fandrika amin’izany. Nefa izay mpanota matevin-koditra rehetra dia afaka hanao toy izany koa. Fa rehefa tia olona tsy maha-te-ho tia ianao, ka misisika mitia azy foana, mitia avy hatrany dia hanova azy ireny ny fitiavan’Andriamanitra. Mety handany herintaona ianao amin’izany, mety ho dimy taona. Mety ho dimy amby roapolo taona, nefa tena ilaina io. Hafiriana no niandrasan’i Jesosy anao? Tia anao Andriamanitra, ary tia ny olona rehetra manodidina anao koa Izy. Na ny voavonjy na ny mpanota dia tiany avokoa. Ary te-hampiasa anao toy ny fantsona hikorianan’ny fitiavany Izy. Aza matahotra ny hamindra izany fitiavana izany.

Ny fitiavan’Andriamanitra dia manafaka anao amin’ny tahotra sy ny fanamelohana, ary manome anao fahaiza-mitia. Mivonòna hanaparitaka ny fitiavan’Andriamanitra eny rehetra eny. Atomboy amin’ny fahaiza-mandray olona izany. Ataovy ho anton-draharahanao ny misariaka ary ny ho fitahiana ho an’ny olona rehetra ao amin’ny tenan’i Krsity. Asao ny olona hisakafo, ary asaivo mandroso sy mamangy anao izy ireny. Arahabao amin’ny tànana ny olona, mitsikitsikia. Manan-javatra hampanaovina anao Andriamanitra. Te-hampiasa anao

Ny fitiavana mahatratra ny hafa, dia mizara

Page 44: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

38

manokana amin’ny fomba tsy ahafahany manao izany na amin’iza na amin’iza eto ambonin’ny tany Andriamanitra. Tsy misy na iza na iza hahatratra izany olona izany afa-tsy ianao. Angataho Andriamanitra hampiseho aminao ny làlana hanatrarana ny fitiavany, dia hampianatra anao Izy.

Tia ANAO Andriamanitra

Page 45: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

39

7

Hanova anao ny fitiavan’Andriamanitra

“Izao no f itiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.”

– I Jaona 4:10

Tia antsika Andriamanitra; nefa angamba vitsy amintsika no tena mahatsapa ny halalin’ny fitiavana izay itiavany antsika. Nasehon’Andriamanitra ahy avy tamin’ny fianarana nataoko ny momba izany. Rehefa tena tsapantsika ao am-pontsika ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, dia hijoro isika ary ho hita miavaka mihitsy noho ny tamin’ny taloha. Diniho ny fitiavan’Andriamanitra anao. Io no hanova anao. Raha misy tsy tianao ny momba ny tenanao, ny fahalalana fotsiny fa tia anao Andriamanitra dia ampy hanova ny fiainanao. Ahoana ny fihetseham-ponao rehefa fantatrao fa misy olona tia anao? Toa mahatsiaro sambatsambatra ery ianao, sa tsy izany? Mahatsiaro

Page 46: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

40

ho ratsy tarehy ve ianao? Andriamanitra dia nilaza tamiko fa ny sasantsasany aminareo dia mankahala ny tenany ihany. Ankahalainao ny zavatra ataonao, ary tsy nekenao fa voahary vaovao ianao no sady miady tsy tapaka amin’ilay toetranao taloha. Raha mbola manaratsy ny tenanao foana ianao mandavan-taona, ka tsy tia ny tenanao, mankahala ny tenanao, tsy mahatsapa fa hafakely anie ianao, dia tsy hanao zavatra miavaka noho ny hafa mihitsy ianao. Hoy ny Baiboly: “Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany; hoy izy aminao: mihinàna, misotroa, kanjo tsy sitrany ianao.” Ohabolana 23: 7

Izany rehetra izany dia satria tsy azonao tsara ny hevitry ny hoe: Tia anao Andriamanitra. Zava-mahery ny fahalalana ny halalin’ny fitiavany anao.

Tian’Andriamanitra ianao hiaraka Aminy, resaka andavanandro mihitsy io. Izany no hanova anao. Rehefa tsy apetrakao voalohany Andriamanitra, dia mametraka Azy amin’ny toerana tsy ahafahany manao izay tiany atao aminao izany. Fotoana manokana izay iarahanao amin’Andriamanitra io, ianao mitia Azy fotsiny, ary mamela Azy hitia anao, ka io no hahatonga anao hitombo sy hatanjaka amin’ny maha-olona ara-panahy anao. Maro amin’ny olona no kamo ary aleony tsy manao izany. Tiany kokoa raha ny hafa no hanao izany ho azy. Aza manala tena ianao.

Ny tsirairay aminareo izay tsy mifandray amin’Andriamanitra ary resy lahatra ny amin’izay voalazako, dia arahin’ny devoly avy ato aoriana ka ilazany hoe: “Efa manana zavatra hafa betsaka atao

Page 47: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

41

anie ianao e!” Haiko tsara ny fombany; manome fialan-tsiny tsy an-kiato ny devoly. Aoka ho matotra ao amin’Andriamanitra ianao ary teneno mafy ny devoly. Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fifandraisana Aminy dia hanova anao.

Noforonin’Andriamanitra hahavita zavatra ianao. Miteny toy izao Paoly ao amin’ny Filipiana 4: 13 “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” Ho vitanao izay rehetra tianao hatao amin’ny zava-boahary rehetra amin’ny alalan’ny herin’i Jesosy Kristy. Na haingana toa inona aza Andriamanitra manondro olana aminao, dia tokony hijoro amin-kery sy amim-pandresena ianao ka mamaha izany. Raha hitsangana ianao mba handray ny fitiavan’Andriamanitra anao, ka mandà tsy hamela io devoly maloto sy mpandainga io hilaza fa tsinontsinona ianao ary tsy tsara na amin’inona na amin’inona, dia hanomboka hihetsika am-pandresena ianao izay. Amin’izao aloha, mety ho hafahafa be ny fihetsikao, fa ho hafa kokoa ny hataonao raha hinoanao fa efa olom-baovao ny ao anatinao ao. Tsy hiova na oviana na oviana ianao, na hanao zavatra miavaka amin’ny rehetra raha tsy manomboka mijoro ianao ary miteny hoe: “Misaotra an’Andriamanitra, olona hafa mihitsy aho izao, olona masina aho, Andriamanitra no nifidy ahy. Nanadio ahy tamin’ny ràn’ny Zanak’ondry Izy. Arak’izany no handehanako. Ary tsy ahoako ny devoly, na firy na firy hadisoana vitako, lehibe Andriamanitra. Ampy ahy izay mba handraisany ahy sy hanaingany ahy mba hanohy ny diako. Manadio ny ratsy rehetra ataoko Izy. Inona no olana afaka haharesy anao raha fantatrao

Hanova anao ny fitiavan’Andriamanitra

Page 48: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Lazao Azy Tiako Izy

42

fa tia anao Andriamanitra?” Tsy misy. Handresy hatrany ianao. Te-ho mpandresy ve ianao? Valio ary izao: Te-hanan-javatra mba handresena ve ianao? Io ihany no làlan-tokana hoentinao mitombo. Raha tsy manana olana na oviana na oviana mihitsy ianao, ary tsy nanana na inona na inona handresena, amin’inona ary no entinao hanapahana ny nifin’ny finoanao? Ampiasao ny olana manohitra anao mba ho fanararaotana hitomboana ao amin’ny Tompo. Diniho inona avy no ataon’Andriamanitra noho ny fitiavany anao?

Raha hiankina amin’Andriamanitra ianao, ary hamela an’Andriamanitra hitia anao, ary ianao ho tia Azy, dia ho azonao hadinoina daholo ireo fanandramana hiasa am-pinoana rehetra ireo, ary ho tody amin’ny fitsaharana ianao.

Avelao fotsiny Andriamanitra hitia anao, ary ianao ho tia Azy, dia handeha eny rehetra eny toy ny olona mamo foana ianao, saingy ho mamon’ny Fanahy Masina.

Izany no hitranga rehefa tsy mandaitra aminao ny zava-misy eo amin’ny fiainanao, satria amin’izay alehanao rehetra dia miasa ao aminao ny fitiavan’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana nandraisako ny Batisan’ny Fanahy Masina, nandritra ny telo volana dia tahaka ny olona mamon’ny fitiavan’Andriamanitra aho. Tsy nitsahatra niteny ahy ny olona hoe: “Inona no nitranga tamin’ny fiainanao?” Tsy nila niteny na inona na inona taminy aho mba handreseko lahatra azy ireo fa niova aho. Niharihary ho azy teo izany. Raha miasa amin’ny fitiavan’Andriamanitra ianao,

Page 49: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

43

dia hitsiky foana mandritra ny andro. Ho tsara tarehy ianao. Hanjary hanana hery sy tanjaka ianao. Ho afaka ny hitondra olona ianao satria feno ny Fanahy Masina foana hany ka izay rehetra tadiavinao dia ho hitanao. Mitenena amin’ny tenanao hoe tia anao Andriamanitra. “Haleloia! Tia ahy Andriamanitra. Zanany voatokana mihitsy aho. Tia ahy Andriamanitra.” Ndeha àry, ataovy ambony be ny vikin’ny finoana ary minoa amin’izay!

Tia ANAO Andriamanitra

Hanova anao ny fitiavan’Andriamanitra

Page 50: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

44

Tena tia anao fatratra andriamanitra

Raha mbola tsy nandray an’i Jesosy mihitsy ianao ho Andriamanitrao, sy ho Mpamonjy anao, dia mangataka anao aho hanao izany izao. Afaka mivavaka toa izao ianao, ary raha tena amin’ny fonao no hanaovanao izany dia hahazo ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy ianao:

Andriamanitra Ray ô! Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanakao, Mpamonjy izao tontolo izao. Mino aho fa maty teo amin’ny hazofijaliana Izy noho izaho ary nentiny avokoa ny heloko rehetra. Naloany ny vidin’ny fahotako. Noraisiny ny famaizana izay sahaza ho ahy. Nidina tany amin’ny helo Izy naka ny toerako, ary nivoaka mpandresy avy tao Izy. Mino aho fa nitsangana tamin’ny maty Jesosy ary mipetraka eo an-tànana an-kavananao ankehitriny. Mila Anao aho Jesosy ô! Avelao ny heloko, avoty aho, tongava monina ato amiko. Te-hateraka indray aho.

Izaho dia mino fa monina ao am-ponao Jesosy amin’izao fotoana izao. Afaka ny helokao ary voamarina ianao, ka rehefa tonga Jesosy dia ho any an-danitra ianao.

Page 51: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

45

Mitadiava fiangonana azo antoka iray izay mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ary mitomboa ao amin’i Kristy. Tsy hisy zavatra hiova mihitsy eo amin’ny fiainanao, raha tsy mahalala ny Tenin’Andriamanitra ianao. Jaona 8:31 sy 32 dia manambara: “Hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny Teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.”

Manorata aty amiko ary ampahafantaro ahy raha nanaiky an’i Jesosy ianao ary mangataha ilay boky kely mikasika ny fanombohana fiainam-baovao ao amin’i Kristy.

Tia ANAO Andriamanitra

Tena tia anao fatratra andriamanitra

Page 52: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

Vavaka famonjena.

Tia anao Andriamanitra ary te hanana fifandraisana manokana aminao Izy. Raha toa ka mbola tsy nandray an’I Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy anao ianao, dia afaka ataonao izany izao. Sokafy fotsiny ny fonao ho Azy ary ataovy izao vavaka manaraka izao …

“Ray ô, fantatro fa nanota taminao aho. Mamindra fo amiko. Sasao ho madio aho. Mampanantena aho fa hahatoky an’I Jesosy, ilay Zanakao. Mino aho fa maty ho ahy Izy –Maty Izy teo amin’ny hazofijaliana noho ny amin’ny fahotako. Mino aho fa natsangana tamin’ny maty Izy. Ankiniko amin’I Jesosy ny fiainako manomboka izao.

Misaotra Ray ô ny amin’ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay izay fanomezana avy Aminao. Ampio aho hiaina ho Anao. Amin’ny anaran’I Jesosy, Amena”

Satria ianao nivavaka tamin’ny fonao, Andriamanitra dia nandray anao, nanadio anao ary nanafaka anao ny amin’ny fangejan’ny fanahin’ny fahafatesana. Manokana fotoana hamaky sy hianatra ireo andalan-tsoratra masina ary angataho Andriamanitra hiteny aminao satria Izy dia miaraka aminao amin’izao lalam-baovao izay diavinao eo amin’ny fiainanao izao.

Jaona 3:16 1 Koritiana 15:3-4 Efesiana 1:4 Efesiana 2:8-9 1 Jaona 1:9 1 Jaona 4:14-15 1 Jaona 5:1 1 Jaona 5:12-13

Mivavaha ary mangatàha amin’Andriamanitra mba hahita fiangonana tsara izay tena miorina amin’ny tenin’Andriamanitra mba hampahery anao hitombo amin’ny fifandraisana amin’ny Kristy. Andriamanitra dia miaraka aminao hatrany. Hitarika anao isan’andro Izy ary haneho anao ny fomba fiaina ilay fiainana be dia be izay efa nomaniny ho anao!

Page 53: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

46

N Y M PA N O R AT R A

Joyce Meyer, dia iray amin’ireo Mpampianatra malaza maneran-tany momba ny fampiharana ny voalazan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana. A#1 New York Times bestselling author, efa nanoratra boky mihoatra ny 80 isa izy, ao anatin’izany ilay hoe Fomba 100 hanamorana ny fiainanao. Never Give Up!, ny Battlefield of the Mind family of books, sy roa hafa vaovao, The Penny and Any Minute, sy ireo maro hafa. Efa namoaka fampianarana an’arivony tamin’ny onjam-peo, ary koa horonan-tsary fampianarana marobe. Ny fandaharana Joyce’s Enjoying Everyday Life amin’ny onjam-peo sy fahitalavitra dia mandeha amin’ny firenena marobe maneran-tany. Mandeha mitety firenena samihafa ihany koa izy manao kaonferansa. Joyce sy ny vadiny Dave dia manan-janaka lehibe efatra ary mipetraka ao St. Louis, Missouri izy ireo.

Page 54: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

JOYCE MEYER MINISTRIESFOREIGN OFFICE ADDRESSES

Joyce Meyer Ministries—South Africa P. O. Box 5

Cape Town 8000South Africa

(27) 21-701-1056

Joyce Meyer Ministries—U.S.P.O. Box 655

Fenton, MO 63026USA

Go to tv.joycemeyer.org to watch Joyce’s messages in a variety of different languages.

Page 55: Joyce Meyer Ministries...amin’ny fisainantsika ara-nofo ny fahatsapana fa isika dia olona nosinganina manokana, manan-talenta ary miavaka. Ny tsirairay amintsika dia singan’olona

LAZAO AZY . . .

. . .

Fanambaran’andriamanitra

NY ANAO.

JOYCE MEYERP. O. Box 5, Cape Town, 8000, South Africa

#1 Mpanoratra nandafo boky betsaka indrindra araka ny New York Times